Ny Sakramenta Fanosorana ny marary
Araka ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika, ny sakramenta[1]
fanosorana ny marary, dia sakramenta manasitrana , nokendrena hanome
fahasoavana manokana ny kristianina
misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho
ny fahanterana. Ny fahasoavana manokana avy amin'ny sakramenta fanosorana ny
marary dia
- mampiombona ny marary amin'ny fijalian'i Kristy mba hahasoa ny tenany sy ny Fiangonana manontolo;
- manome herim-po sy fiadanana ary fiononana hizakana am-pomba kristiana ny fangirifiriana noho ny aretina;
- manala ny fahotana raha tsy afaka mandray izany amin'ny alalan'ny sakramentan'ny Fampihavanana;
- mahasitrana raha mahasoa am-panahy izany;
- manomana ny fiampitàna any amin'ny fiainana mandrakizay.
Ny mampalahelo anefa dia mazàna heverina ho sakramenta fanosorana farany ity satramenta ity, ka vitsy ary tsy ny rehetra no mandray azy am-pitoniana sy am-pinoana. Tahaka ny sakramenta rehetra anefa dia anisan'ny toe-po enti-mandray ny sakramenta ny sitra-po[2]. Ny Soratra Masina dia milaza fa "ny marary" no hampàka ny pretran'ny fiangonana hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin'ny anaran'ny Tompo.. ary raha nanota izy dia havela ny fahotany (Jak 5, 14-15).
Matetika dia tsy voaresaka loatra ity sakramenta ity, na amin'ny Kakiteny mandritra ny fotoana mystagogique (fanazavana ny mistery) aza. Marina fa ny sakramenta vao avy noraisina no noezahana nohazavaina mandritra ny vanim-potoanan'ny Paka, kanefa ilaina koa ny milaza momba ny sakramenta hafa izay Ain'ny Fiangonana.
Heveriko fa izay nosoratan'i Joany Paoly II tamin'ny 1984[3] momba ny olombelona manoloana ny fijaliana dia tsara halalinina mba hahazoana ny antony hijaliana ka hikolokoloana ny toe-piainana kristiana izay mametra-panontaniana matetika ny amin'ny maha-fitiavana an'Andriamanitra, kanefa mamela ny olombelona hijaly, ny maha-mahefa ny zavatra rehetra Azy, kanefa toa miraviravy tanana mamela ny ratsy hanjakazaka! Tsara ny handinihana izany mba tsy hiheverantsika fa fanafody farany ny fahafatesana, ka hilazana fa aleo maty toy izay mijaly! (jereo eto)
Kristianina vontom-pinoana manko no afaka hahatsapa ny fifaliana niainan'i Md Paoly manoloana ny fijaliana nosedrainy (Kol 1, 24). Anjarantsika ary ny maneho fitiavana ireo mijaly sy osa, satria "occasion" hahitantsika ny endrik'i Kristy, tiantsika hotiavina sy arahina ireny, ary raha sanatria isika no tojo ny fangirifiriana dia hahazo hery handinika sy handalina ny fijalian'ilay tsy nanan-keloka nanaiky hijaly ho famonjena antsika.
[1] Ny sakramenta dia famantarana
(hita maso na ren'ny fandrenesana) entin'i Jesoa sy ny fanahy Masina manohy
amin'ny alalan'ny Fiangonana ny fitsimbinan'ny Ray ny fiainantsika zanany. Ny
sakramenta tsirairay araka izany dia manome fahasoavana manokana.
[2] Ny toe-po ho enti-mandray ka
mampisy vokany ny sakramenta dia ny safidim-po, ny finoana ary ny fibebahana.
Famintinana fotsiny no ataoko eto ity. Salvifici doloris, 11 febroary 1984 jereo eto
ny texte intégral
Taratasy nosoratana momba ny fiatrehan'ny kristianina ny Fijaliana.
(Salvifici doloris)
Miainga avy
amin'ny fanambaran'i Paoly hoe "ankehitriny
dia mifaly amin'ny fiaretako fijaliana ho anareo aho, fa afaka mameno ny tsy
ampy amin'izay niaretan'i Kristy ho an'ny Fiangonana Vatany Masina"
(Kol 1, 24) dia mampametra-panontaniana ny fijaliana (nahoana no mijaly, inona
ny antony hijaliana?) :
Izay no mahatonga
ny Papa hanisy trindrim-peo fa ho an'ny kristianina dia tokony hifandray mandrakariva amin'ny
tsara ny fiheverana ny fijaliana. Tandra vadin-koditry ny fiainan-dRaolombelona
ny fijaliana ka tsy azo ihodivirana. Mety ho fijaliana ara-batana izany fa koa
ara-tsaina sy ara-panahy (active et
passive)
Mampametra-panontaniana
anefa ny hoe : nahoana ilay Andriamanitra Fitiavana no mamela ny zanany hijaly?
Mahefa ny zavatra rehetra ve izy ka hampijaly antsika?
Raha raisina
amin'ny lafiny hoe : mijaly satria nanota dia hisy olana hafa indray hitranga :
nahoana ny tsy manan-tsiny avy no mijaly? (Jerena koa ny Spe
salvi nn°36-38 : olombelona voafetra sady vesaram-pahotana // fahamarinana sy fitiavana-famindram-po)
Ho an'izay efa
nandalo dingana amin'ny finoana dia afaka milaza fa fiombonana amin'ny asa fanavotana
nataon'i Kristy izany. Amin'ny tapany faharoa amin'ny taratasy (chap VII) dia
asian'ny papa tsindrim-peo fa tokony ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy
isika manoloana izay mijaly : tsy hijery fotsiny (compatire) fa hisikim-ponitra hamehy ny fery sy hiantoka ny lany
amin'ny fitsaboana).
Fa raha mbola
marefo ny finoana, ahoana no hahafahana milaza ny antony (sens) hijaliana? Ao amin'i Kristy sy ny Fitiavany (nijaly mba
hanavotra antsika) ihany manko, hoy ny Papa no misy heviny ny fijaliana. Ny
fahamatorana ara-panahy izay hahatsapana fa ny Fiainana mandrakizay no hany
harena tokana irina sy andrandraina no maneho ny fahambonian'ny maha-olona!
(kristiana). Izany no hahazoana hery hizaka am-pitiavana ny Fijaliana satria
sady manadio (mitaky fibebahana) no fandraisana anjara amin'ny asam-panavotan'i
Kristy.
Ho an'i Kristy dia efa nolazainy mazava fa
lalana tsy maintsy hizoran'izay te-hanara-dia azy ny fizakana ny
hazofijaliana sy ny fandavan-tena. Tsy fisehosehoana ivelany izany
fa fiainam-panahy lalina tokoa, mitaky fiovana hatrany amin'ny ati-fo lalina.