Fiekem-pinoana

Izaho mino an’Andriamanitra tokana / Ray mahefa ny zavatra rehetra / nanao ny lanitra sy ny tany / sy ny zavatra rehetra / na ny hita maso na ny tsy hita /

Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana / Zanaka lahitokan’Andriamanitra /  nateraky ny Ray talohan’ny taona rehetra / Andriamanitra avy amin’Andriamanitra / Fahazavana avy amin’ny fahazavana / Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina / nateraka Izy fa tsy natao / Iray fomba amin’ny Ray / ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra /

Isika olombelona sy ny famonjena antsika / no nidinany avy any an-danitra / ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy / noho ny herin’ny Fanahy Masina / Ka tonga olombelona /

Nofantsihana tamin’ny hazofijaliana ho antsika / tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty / Nijaly ary nalevina / Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo / araka ny voalazan’ny Soratra Masina / Niakatra any an-danitra / dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray /

Mbola ho avy amim-boninahitra indray / hitsara ny velona sy ny maty / ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany /

Izaho mino ny Fanahy Masina / Tompo Loharanon’aina / avy amin’ny Ray sy ny Zanaka / Tsaohina sy omem-boninahitra / miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka / Ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany /

Izaho mino ny Eglizy / iray / masina / ary manerana ny tany / Izaho mankatò ny Batemy tokana manala ny ota /

Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty / sy ny fiainan-ko avy /                                  A M E N

Hevitra :

1. Heriniaina (mpamangy)

Mba te ahafantatra an'ireny faminaniana nataony Jesoa teto antany ireny ah sy ireo antony nahatonga azy hiteny amin'ny fanoharana daholo ny zavadrehatra zay dia manatena fa ahazo valiny mahafapo aho ny fahasoavan'Andriamanitra anie hirotsaka aminareo tsirairay avy dia misaotra mialoha
(03/11/2011 04:30:31)

Hampiditra hevitra







[*] Ilaina